Fanadiovana ny Tanànan’i Toamasina: Fako 1590 Taonina no nesorina !! (Sary)

Noraisin’ny faritra an-tànana ny fanadiovana ny tanànan’ i Toamasina
Fako milanja 1.590 taonina afaka indray andro.

Nohon’ny fifanomezan-tanana teo amin’ny faritra atsinanana sy ireo mpandraharaha ara-toekarena eto antampotanànan’ i Toamasina dia nanome kamiao miisa 6 be izao ny orinasa Boudouraly Cyrus ary miisa 5 kosa ny City groupe, ireto farany izay niasa hatramin’ny 12 ora antoandro ny alahady teo raha hatramin’ny 5 ora sy sasany ireo voalohany. Ireo kamiao lehibe izay samy mahazaka hatramin’ny 30 taonina avy no nanaovana fanadiovana sy fanesorana ireo fako mivangogo ny alahady teo. Nahatratra hatramin’ny 1.590 taonina ny fako voaesotra tamin’ny toerana tena be fako indrindra dia ny tao bazary be anoloan’ny sampandraharahan’ny fananantany sy tao bazary kely anoloan’ny tranon’ny sefo fokontany ihany sy teo amin’ny toerena malalaka.

Ady amin’ny valan’aretina
Anisan’ny nanaitra ny fitondram-panjakana rahateo ny tatitra nianga avy teny amin’ny hopitaly be taorian’ny taom-baovao izay nilaza fa mihamahazo vahana ny aretina tazo moka ary hatahorana ihany koa ny isian’ny valan’ aretina toy ny fivalanana , pesta sy maro samihafa ateraky ny loto sy biby miforona amin’ny loto sy ireo rano maloto miandrona. Nambaran’ ireo mpiasan’ny fahasalamana eo anivon’ny hopitaly be rahateo fa amin’ izao fahavaratra izao raha tsy voasoroka haingana ny fihanaky ny loto dia ahina ny hisian’ny valan’ aretina eto an-toerana.
Amin’ izay ihany vaky ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ ireo mpitsabo misahana ny marary mivantana eny amin’ny hopitaly be sy ireo misahana ny « admnistration » eo amin’ny sampan-draharaham-paritry ny fahasalamana.
Nandefa taratasy tamin’ny mpanao gazety ireto farany fa izay havoakan’izy ireo ihany no tokony ho « vaovao mari-pototra ».  «Tsy ekena ny fanafenana ny marina amin’ny vahoaka” hoy kosa ny Profesora Armand, talen’ny hopitaly be. Olona mandoa vola ireo marary ireo ka tsara raha hampahafantarina azy ny tena zava-misy eo amin’ny hopitalim-panjakana sy eto an-tanàna  mba ahafahan’ny tsirairay mitandrina amin’ny fahasalamany.

Sajo

Publié le 9 janvier 2012, dans Actualités des Légalistes, Madagasikara - Crise, et tagué , . Bookmarquez ce permalien. Poster un commentaire.

Laisser un commentaire