MADAGASCAR – Déclaration de Mme Lalao Ravalomanana

L’épouse du Président Ravalomanana, détenu arbitrairement par le régime Rajaonarimampianina, a tenu un point de presse ce lundi 20/10/2014 à son domicile à Faravohitra.

Elle a lancé un appel solennel à l’apaisement, la fraternité, au rapprochement national et au respect mutuel entre les Malagasy.

C’est le moment, dit-elle, pour s’engager vers la réconciliation nationale. En outre, elle a prôné la primauté de l’intérêt national en précisant que le seul ennemi du peuple malagasy, c’est la pauvreté.

 

Déclaration complète en version originale

Araka ny tenin’ny soratra Masina manao hoe: « Miraisa saina ianareo rehetra, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena ».
Ankehitriny, fon-dReny no miteny: Amin’ny fo feno fahendrena sy fanetre-tena no hanaovako antso avo amin’ny Fitondram-panjakana, fiangonana, fikambanana isan-karazany, fianakaviam-be iraisam-pirenena, ary indrindra ny vahoaka Malagasy rehetra tsy misy ankanavaka.

Fotoana izao hirosoana amin’ny Fifanantonana, fifampiresahana, fifanajana amin’ny Malagasy samy Malagasy. Fotoana ihany koa, hirosoana amin’ny Fampihavanam-pirenena.
Isika Malagasy rehetra dia samy manaja ny soatoavina Malagasy, dia ny Fihavanana izany. Ary mametraka ny tombotsoam-pirenena mialohan’ny zava-drehetra.

Tokana ny fahavalon’ny Malagasy, dia ny fahantrana izany. Ka hifanome tanana isika, ka hiaraka tahaka ny mpirahalahy, na amin’iza na amin’iza, amin’izay rehetra mino ny Fihavanana Malagasy, ary hitondra fampandrosoana amin’ny tanintsika sy Firenentsika.
Lalao Ravalomanana

P5 P2 P4P3

http://www.lalao-madagasikara.com/conference-de-presse-fravohitra/

 

Publié le 20 octobre 2014, dans Actualités des Légalistes, Droits humains, Madagasikara - Crise, et tagué , , , , . Bookmarquez ce permalien. Poster un commentaire.

Laisser un commentaire