Seranatsambon’ i Toamasina :Vaky ny ady eo amin’ny MICTSL sy ny antenimieran’ny varotra

Nanjavona ny entana tao anaty kaontenera,

Tsy takona hafenina intsony ny fisian’ny fahaverezan’ny entana anaty kaotenera ao amin’ny seranantsambon’ i Toamasina. Lasibatra hatrany ireo mpandraharaha  hatramin’ izay fa amin’ izao fotoana kosa dia ny antenimieran’ny varotra mihitsy izay misy ampaham-bola be an’ny fanjakana no lasibatra , vokany : very ny volam-panjakana.

Kaontenera 40′ (12 metatra), mitondra ny marika MAEU 810901 6 DK 4510 ary ny firaka laharana faha MAERSK EMP.MG 3000803, no efa babangoana ny entana tao anatiny no tonga tao amin’ny antenimieran’ny varotra ny talata faha 10 aprily teo tamin’ny 3 ora tolak’ andro ka raha vao hanokatra azy ny vadintany sy ireo mpiasan’ny fanditseranana  ary ny antenimieran’ny varotra dia samy talanjona fa kaontenera tsy misy n’ inona n’ inona no nohidina firaka tao. Raha ny hita teny amin’ny fanambarana ny lisitry ny entana tao anantin’ ity kaontenera babangoana ity dia kiraro vaovao avy tany Sina no tao anatiny kanefa dia tsy nahitana na iray izany. Notanisain’ny filohan’ny antenimieran’ny varotra sy ireo mpiasan’ny Ladoany fa tsy vao sambany no nisy tahak’ izao ny kaontenera avy ao amin’ ity orinasa tantanan’ny vahiny ity efa ho ny volana semptambra  kaontenera 40′ miisa roa feno fitaovana elektronika (« Ampli »), kaontenera 40′ iray feno briquets. Ny volana desambra kaontenera 20′ (6 metatra) feno bolabola nisy nangalatra tao amin’nyMICTSL. Io desambra io ihany kaontenera 40′ miisa valo feno godorao lasa fotaka tao anatiny. Ny volana martsa teo talohan’ity niseho tamin’ny talata teo ity kaontenera 40′ feno fonosana lamba « friperie ». Ireo rehetra ireo dia babangoana
avokoa na voasolo fotaka rehefa entina ao amin’ny antenimieran’ny varotra.
Tahaka ny mahazatra sy efa fomba fanao amin’ny entana hafarana  na koa tonga ao amin’ny seranatsambon’i Toamasina ka anaty kaontenera dia ny orinasa iray tsy miankina, tantanan’ ny vahiny (ny MICTSL) no mitahiry sy mandray an’ ireny kaontenera ireny. Misy fe-potoana ny fitazonana azy ao amin’ny fitoeran’ny kaontenera, ka raha dila ny fe-potoana ka tsy alain’ny tompony dia tsy maintsy alefa any amin’ny antenimieran’ny varotra izany mba atao lavanty ampahibemaso.
Voahitsaka ny zon’ny mpitandro ny filaminana. Nambaran’ ireo mpiasan’ny Ladoany, zandary ary ny polisy misahana ny fandriampahalemena ao amin’ny seranantsambon’ i Toamasina fa tsy mahazo miditra amin’ny faritry ny  orinasa MICTSL izy ireo. «Eo amin’ny vavahady izahay no mandray ny kaontenera izay hafindra toerana eny amin’ny antenimieran’ny varotra. Tsy afaka manokatra azy eo an-toerana izahay ka tsy mahafantatra na misy entana na tsia ny kaontenera efa ambony remorka. Na ny vadintany aza tsy afaka miditra any ihany koa manokatra an’ izany eny amin’ny faritry ny MICTSL », hoy izy ireo. Nohamafisin’ ireto tompon’ andrakitry ny filamianana sy fanaraha-maso ny fidirana sy fivoahana entana ao amin’ny seranantsambo ireto fa Firenena kely iray anatin’ny Madagasikara ve ny orinasa MICTSL ? Nohamafisin’ izireo ihany koa fa anisan’ny maha betsaka ny fampidirana fitaovam-piadiana antsokosoko ny zava-misy ao an-toerana.  » Fanitsakitsahana ny zon’ny  fitandroana ny filaminana sy fanaraha-maso ny entana miditra anatin’ny faritry ny seranantsambo izao » hoy hatrany izy ireo.

Hametraka fitoriana

« Fihetsika feno habibina ara-toekarena sy ara-barotra ho an’ny Firenena sy ny fandraharahana  eto amin’ny Nosy izao ataon’ny orinasa tantanan’ ireto vahiny ireto izao, ary fanaovana antsonjay ny entana hampiditra vola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Ka manoloana ireo rehetra ireo, dia « hitory ny orinasa manao an’ izany halatra avo lenta mamohehatra ny Firenena izany izahay antenimieran’ny varotra ary hitondra an’ izany eny anivon’ny fitsarana » hoy ny filohan’ ity sampandraharaham-panjakana iray eto Toamasina ity.

Nohamafisin’ ity filohan’ny antenimieran’ny varotra sy indostria ity fa famonoana tanteraka ny mpandraraha ary halatra be vava atao amin’ny fanjakana izao. Etsy andaniny, dia nampiaka-peo ihany koa ireo solontenan’ny mpandraharaha very entana hatramin’ izay fa hanamafy ny fitorian’ny antenimieran’ny varotra. Etsy ankilany, dia ahiana amin’ izao raharaha izao indray ny hisian’ny fitokonana lavareny hiseho ao amin’ny seranantsambo izay hisy fiantraikany koa amin’ny fitanteran’ireo fiarakodia ny entana.

Namana Toamasina

 

Publié le 13 avril 2012, dans Actualités des Légalistes, Madagasikara - Crise, et tagué , . Bookmarquez ce permalien. Poster un commentaire.

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :