FAHALEOVANTENA HOE ?

Poème: NY FAHALEOVANTENA – L'INDEPENDANCE - Rado - Agir avec Madagascar

Amin’izao fetim-pirenentsika izao, izay lazaina fa faha 60 taonan’ny FAHALEOVANTENA, dia atolotra antsika namana rehetra mpamaky ity tononkalo nosoratan’i Rado ity ary tononon’i Vahombey. Inona sy aiza ho aiza tokoa moa izany atao hoe FAHALEOVANTENA izany? Mahaleo tena marina ve ny Firenena malagasy ?

Mamakia sy mihainoa finaritra ry namana isany

TG

FAHALEOVANTENA HOE

Ny Fahaleovantena dia tsy natao mihitsy hoenti-kahasambatra fiainan’olom-bitsy. Fa Fahaleovantena tsy manam-piangarana hampigoka mamy ny isam-baravarana

Ny Fahaleovantena : tsy trosa tsy miato iandrandrana vola avy any Dilambato. Fa ezaky ny tena mitohy tsy mety lanaka tsy haharaiki-trosa ny hoavin’ny taranaka

Ny Fahaleovantena : tsy fanomezan-dasy ny tenin’ny vahiny hasolo Teny Gasy. Fa Fahaleovantena derain’ilay mitazana hanandratra ambony ilay Fitenin-drazana

Ny Fahaleovantena : tsy haitraitran-javona ka iambonian-tena rakofana avonavona. Fa fanetrena tena hitovy amin’ny hafa Miaraka misaina, miaraka mitafa

Ny Fahaleovantena : tsy endrika sodokan’ ny fiheverantena ho mahavita tokana. Fa hevitry ny maro mitapatapak’ahitra ny hoavim-pirenena hitera-boninahitra

Ny Fahaleovantena : tsy fanomezam-bahana ny hevitra-vahiny hanjaka an-kalalahana. Fa Fahaleovantena mivimbina hamiratana hanaja ny an’ny tena ho any avara-patana

Ny Fahaleovantena : tsy fitadiavan-tehaka na horaka mandainga mba hampidehadehaka. Fa Fahaleovantena tsy andokafan-tena fa fantatra eny ihany izay tia ny firenena

Ny Fahaleovantena : tsy hoe ianao mitsako, fa ny vahoaka kosa mitrongy anaty fako. Fa Fahaleovantena ahitana toky ka ny maroanisa no sambatra sy voky.

Ny Fahaleovantena : tsy vola fafy katrana hividianan’olona ho sandam-pisandratana. Fa Fahaleovantena mitana fahamarinana hitaiza ny vahoaka tsy ho any am-pivarinana

Ny Fahaleovantena : tsy laza vady bainga am-pielezam-peo, kanefa tranon-dainga. Fa Fahaleovantena milaza ny ao an-tranony tsy misy laingalainga na mila ranondranony

Izany ka izany no Fahaleovantena niadian’ny razantsika sy namonoany tena, nidirany tam-ponja, niaretan-tsesitany, namoizany ny hareny, namoizany ny rany.

Anefa raha tsy izany no Fahaleovantena iainantsika etoana, fa toa fitiavan-tena sahia ka mijoroa hiady ho an’ny marina mandra-pahatratra ny tanjona hotratrarina.

RADO 1991

NY FAHALEOVANTENA – L'INDEPENDANCE | La vie d'ici et d'ailleurs (Tritriva)

Publié le 27 juin 2020, dans colonisation, Madagasikara - Histoire, Uncategorized, et tagué , , . Bookmarquez ce permalien. Poster un commentaire.

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :