MADAGASIKARA – Azo fantarina ve ho aiza ilay fitohizan’ny hetsika eo amin’ny 13mai?

Nindramina tao amin’ny Forum Tim Madagascar

05.05.2018 – 22:47 – jango

Rehefa naheno ny sombin-kabary teo amin’ny 13 mai anio 5mai dia tsapa fa nanomboka misy disadisa eo amin’ireo solombavambahoaka sy ny mpitarika ny antoko : misy teny tsy loabody voalaza ary milaza ankolaka fa samy manana ny kajiny.

Tonga dia tsorina eto fa efa tsinjo hatramin’ny voalohany fa raha vao niova tamin’ilay fitakiana fanovana ilay lalampifidianana ka lasa fitakiana ny fialan-drajao dia nazava .be fa misy ketrika hafa ao ambadika.

Efa nanome ny heviny ny filoha Ravalomanana ary nilaza fa tsy misy hidiran’ny antoko io amin’ny 13mai io ka mazava amin’ny rehetra izao ny raharaha.
Na izany aza dia misy foana rohy mampifandray ireo raha tsy hoe mitsipaka mazava fa tsy ao anatin’ny antoko intsony satria ny anaran’ny antoko no nampiasainao ary nahalany anao eo amin’ny toerana io.

Raha nihaino ny kabary teo anio dia naverina io resaka io : # ny eto amin’ny 13 mai dia izahay no mahalala izay ataonay sns sns# …inona no tiana ho lazaina amin’izany ?

Fanjakana iray no misy eto madagasikara ka lasa misy ve izany tolona roa samihafa hanoherana ny tsy ara-dalana ary raha toa ka izay no izy dia aleo hazava hatramin’ny farany ny resaka aza atao takonila ka nanomboka izao dia lalankafa no aleha eny amin’ny 13mai ary tsy fehezin’iza iza (???) fa raha toa misy hafa any ambadika any dia azy ny azy….toa tsaho ahelin’ny ny gazety mpanakorontana no lasa manakorontana tokoa.

Samia maka ny andraikiny fa averina ihany fa ny vaindohan’ny ezaka natao hatreto dia ny hamerenana aingana ny fahefana avy amin’ny safidin’ny malagasy.
Ny fametrahana gouvernement vaovao no vaha-olana aingana indrindra ahatongavana amin’izany, hafa tsy ireo fepetra maro hafa izay tsy maintsy apetraka koa mba hirosoana aingana amin’ny fifidianana eken’ny rehetra.
Ny ankoatr’izay dia maizimaizina.

http://forum-tim-madagascar.org/index.php…

Résultat de recherche d'images pour "madagascar manifestation députés" (Photo d’illustration)

 

Publié le 6 mai 2018, dans AFRIQUE, Madagasikara - Crise, Uncategorized, et tagué , , , , , . Bookmarquez ce permalien. Poster un commentaire.

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :