MADAGASIKARA – Minisitra no atidohan’ny dahalo ? (T. Tanindrazana)

http://www.tiatanindrazana.com/uploads/fanjakana_mpangalatra_02_(tahirin-tsary).jpg

Namotsipotsitra ny fisian’ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny dahalo sy ny mpitandro ny filaminana ary ny olom-panjakana manoloana ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra Menabe ny ben’ny tanànan’i Bemanonga, Roberto Miadamana omaly. Afak’omaly dia teo imason’ny solontenan’ny Firenena mikambana mihitsy no nisian’ny fanafihana mitam-basy tany an-toerana. Tsy tongatonga ho azy ny asan-dahalo fa olona ambony izay ahitana jeneraly misotro ronono, kolonely am-perinasa, fianakaviana minisitra no ao ambadika ary anananay porofo izany, hoy hatrany i Roberto Miadamana. Nohamafisiny fa fianakaviana minisitra no manondrana omby amin’ny fiara ary tsy misy sakantsakanana fa mandeha ho azy izany. Tombanana ho io minisitra izay tsy notononiny anarana io no miaro sy manome vahana ny halatra omby ary izy mihitsy no tena atidoha. Misy mihitsy ny fanirahana olona hanao dahalo hangalatra omby sy ny fikarakarana taratasy famotsiana omby halatra ka miala maina ny tompony raha ny tatitra nataon’io olom-boafidy io ihany. Anisan’ny tranga navoitrany amin’ny fisian’ny firaisana tsikombakomba ihany koa ny fahatrarana mpivarokena nahitana omby halatra tany Morondava ka nampandoavin’ny mpitandro ny filaminanana vola 1 tapitrisa ariary. Nomena 5 hetsy ariary ny tompon’omby avy eo ary nafahana tsy nisy fanadihadiana ilay olona sarona. Tsy ny resaka halatra omby ihany no ahitana izany fa eo ihany koa ny resaka fakana hazo sarobidy tsy ara-dalàna (bois d’ébène, harofy, voamboana) ka minisitra vehivavy iray no voatonontonona ary efa im-betsaka notazonin’ny polisy ilay fiara fa afa-maina, raha ny tatitra nataony. Mpanolotsaina tsy maharitra amina kabinetra iray dia efa mahavita ny afera rehetra amin’ny famoahana hazo ary mampiseho karatra fotsiny dia efa mandeha ny afera. Tsy nisalasala ity olom-boafidy, izay toa tsy afa-manoatra manoloana ny zava-misy ity nilaza fa efa fanjakan’ny mpangalatra no misy eto.

Toky R.

http://www.tiatanindrazana.com/politique/minisitra-no-atidohanny-dahalo-2016-10-20-24029.php

Publié le 21 octobre 2016, dans AFRIQUE, Droits humains, Madagasikara - Crise, Médiamensonges, Uncategorized, et tagué , , . Bookmarquez ce permalien. Poster un commentaire.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :