MADAGASCAR – Décodage politique et attitude constructive par Andry Ralijaona (SG MAP)

Andry Ralijaona, SG du MAP (Madagasikara Action Plan) du temps du Président Ravalomanana livre ici son analyse de la situation politique actuelle du pays. (Version malagasy et anglaise).

—————

 

Version malagasy

 

« Misy fotoana hanginana ary misy hitenenana » hoy ny fiteny matetika. Tsy naharitra aho ka nandray penina (fomba fiteny koa io satria eto dia « clavier » no noraisina) manoloana ny toe-java mitranga. Ialàna tsiny mialoha ny fivadibadihan-dela satria natao amin’izay hahatafavoaka ny hevitra sy ny hipaka mivantana amin’ny tokony hiantefany izy ity!
Quelle ambiance! Il n’y a pas que le DJ qui sache animer on dirait!
Après la “déclaration du porte parole du Ministère des Affaires étrangères et du Développement international” de la France d’hier, 15 octobre, 2014, je me demandais “so what?” ; ou dans la même langue que celle de la déclaration, “en quoi fait-ce avancer le chmilblik?” (feu Coluche) ; ary @ teniko: “dia maninona e? »

Amin’ny ankapobeny dia manohana ny hevitr’i « Jeannine d’Itaosy » ny hevitry ny olona, na gasy io na vahiny:
http://www.tananews.com/2014/10/courrier-du-lecteur-madagascar-a-besoin-de-verite-justice-et-reconciliation/

Ito koa manazava ny tena misy ao ambadiky ny resaka diplaomatika:
http://www.issafrica.org/iss-today/ravalomanana-gatecrashes-the-party

Inona marina moa no vitan’ny Firaisambe Afrikana sy ireo mampiasa azy e?
– namela fitondrana (régime) avy @ fanonganam-panjakana, natao hoe tetezamita, nitondra ny firenena any an-kady nandritra ny 5 taona
– namolavola ny tondrozotra “roadmap” izay nampiharina amin’ny ampahany ihany, ndeha hatao hoe 50% raha nisy; roadmap mifanaraka amin’ny ny tian’ny mpanao politika voavidy fa tsy ny mety amin’ny ny vahoaka
– fifidianana

Inona moa no ilaina @ fampiombonana sy fampihavanana ?
– mifanatrika; raha tsy hoe hamorona irony “reconciliation 2.0”, haitao informatika, izay hifanatrehana an-tsary sy feo isika; kanefa mety tsy hiety koa izany fa ho voatohintohin’ny delestazy?
– mahalala feno ny zavatra niseho t@ tantaran’ny firenena; tsy ny 2009 ihany fa na ny taloha aza 2002 sns;
– mamoaka ny alahelo (hilaina io, indrindra isika Malagasy; manao psychothérapie de groupe e!!)
– mifanazava mba ho takatry ny ankilany ny antony nahatonga ny iray nanao izay nataony na niteny izay noteneniny
– mifamela (mba tsy hiverina intsony ny tsy nety natao na ny zavatra nitranga)

Inona no tadiavin’ny Malagasy?
– samy manana ny heviny sy tiany ary misy mifanipaka ireo faniriana ireo; fa maniry aho hoe mba te halala ny “marina” ny fiarahamonina (henoina daholo ny fijerin’ny tsirairay mba hiposaka ny tena zava-nisy marina), hiaina am-pilaminana, te hamerina ny mahitsy sy ny fanjakana tsara-tantana
– ary aoka tsy ho variana fa misy amintsika Malagasy no tsy maniry ny fampiombonana sy fampihavanana satria manimba ny “bizna” na matahotra ny ho hafabaraka (toa misy ihany izany)

Inona no tadiavin’ny Firaisambe Afrikana sy ny mampiasa azy?
– miaro ny zavatra azony hireharehana : nampihatra “processus” izay azo hiarovana eo anatrehan’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena (politiquement correct); tsy voatery mifanaraka amin’ny tena tombotsoan’ny Malagasy io;
– mampisisika ankolaka (en catimini) ny tombotsoan’ny fireneny na ny an’ny namany (ohatra: Maurice sy ny port de transit de bois précieux de Madagascar nandritry ny tetezamita UA)

Misokatra ary ny làlana nihirahiraina hatramin’izay (na ny làlana nataon’i Dada izany na « Iny làlana iny » nataon’ny sasany) 
Ka io izy io (Ravalomanana izany) : ilay nendrikendrehana nanao fahotana mahafaty, lazain’ny sasany fa hananany dossiers momba ny zavatra maro; izy ary efa ela nangataka fanadihadiana (enquête) @ zavatra rehetra nanenjehana azy; efa namela an’ireo izay nanenjika azy, efa tonga an-tanindrazana hifanatrika, dia hoe: “tsy ara-dalana izany fa tsy niteny mialoha izy” ???? ( “retour inconditionnel à condition de demander la permission » ve izany no voasoratra tao amin’ny art.20 an’ny roadmap?). Miha-mihena isan’andro ny havesa-danjan’ny (crédibilité) Firaisambe Afrikana.

Mety misy mahatsiaro ho voadona ambopo sy menatra ‘oainina’ (hoy ny tanora ankehitrio) ny sasantsasany @ Fianakaviambe Iraisam-pirenena. Ny tena ‘hadisoana goavana sy manirikiry’ ataon’io Rangahy io dia ny mampibaribary ny tsy fandraisana andraikitra. Miafina ao ambadiky ny hoe : “tsy ara-dalàna no nidirany taty” ny tsy tia azy rehetra, kanefa tsy dia mampiseho fahamatorana loatra izany.

Manakorontana ny fanambarany hoe « tsy hiandry 2018, fa avelao ny vahoaka hanapa-kevitra »? O re olona o: aza taitaitra. Aza tonga dia mieritreritra hoe “hanongam-panjakana aho” no dikan’izany. Olona tsy adala io! Anjarantsika no mandray ny teniny dia hatao hoe “tsy miandry 2018 fa hanentana ny vahoaka hanarina ity firenena ity!”. Olona mahay mijinja vary be io! Vitsy amintsika no nino fa vitany irery no miverina. Io izy io! Ny olony izay manaraka azy anefa mazava be fa tony lava ka mitsoaka avy hatrany raha vao misy mampiasa herisetra manoloana azy, koa inona no mety ho fanakorontanana ataony amin’izany??? Raha te hanasazy azy, avelao izy hiasa fa hainy tsara io. Hoy ny “tontakely” izay: Ravalo miasa, RaHery mikaonty vola!
Hoe nandainga izy fa tsy nanome toky izany ny SADC sy ny firenena vitsy? Izaho indray miteny hoe : marina. Fa mety tsy tamin’ny 2014 fa nanomboka t@ 2009-2010.

Fehiny 
Ny asa vita, hisy ny fandrosoana, ny mpanasazy mijery fotsiny sady mandray ny voninahitra vokatry ny asany. Ho tanteraka ihany ny tondrozotra (roadmap) n’ny CI (fa tsy ny an- dRavalomanana). Samy faly ! Ny marina : ho betsaka kokoa ny ho faly raha hampitahaina amin’ireo vitsy mihanoka ao anaty harem-be amin’izao fotoana izao. Tsy izay ve ny demokrasia: mba ho betsaka kokoa ny faly noho ny sahirana …
Andry Ralijaona
======================
Version anglaise
After the -prompt- French official declaration of yesterday, supporting the AU and the government, I was left wondering: “so what?” Of course what has been achieved must be protected. However, it looks to me that once again, as we have often seen now, there are discrepancies between what the IC’s truth and the Malagasy reality.

Says « Jeannine d’Itaosy” which by the way seems to reflect and Malagasy’s opinions and foreigners’:
http://www.tananews.com/2014/10/courrier-du-lecteur-madagascar-a-besoin-de-verite-justice-et-reconciliation/

Another article that might help decode what is going on behind the backstage is
http://www.issafrica.org/iss-today/ravalomanana-gatecrashes-the-party

What have the UA and their backers really achieved?
– allowing a coup regime stay for 5 years by calling it “transition »
– draft a roadmap which is only enforced at 50% or so; a roadmap that satisfies the bribed politicians and not the Malagasy people
– a recent election

What does a reconciliation entail?
– to be face to face, unless we invent the concept of virtual reconciliation 2.0
– to get the full picture, to know the facts and circumstances of several events in the history of the country, 2009, 2002 etc
– to “come out” and get rid of all bitterness, and other negative feelings
– to offer different perspectives so that “the other party” may understand why one “acted like s/he did or said what s/he said”
– to pardon, to forgive, so that unfortunate words not be repeated again or undesired acts not be repeated again

What do Malagasy want?
– there are different aspirations, different ideas; but I would hope there is a common interest in « the truth”, in “living in peace”, and restore honesty and good governance
– and let’s remember: not all of us long for the reconciliation as this would shrink business opportunities or would potentially lead to social embarrassment (which still seems a behavioral influencer)

What do UA and their backers want?
– to protect their “achievement”, what is perceived as a defendable, politically correct process of democracy restoration; the Malagasy have yet to understand that this is not necessarily aligned with what they really want;
– to « sneak in” the interests of their countries or their friends’ interests (e.g. Maurice as a hub for trafficking woods from Madagascar during the AU transition)

Exit opportunity
I understand part of the IC is embarrassed because here is a man who has been waiting for their good will for 6 years or so, a man some have believed they have made people forget, a man they believed was playing golf somewhere in the South of Johannesburg, has now appeared like a messiah before the Malagasy people. His biggest fault is to unveil others’  shortfalls. Hiding behind a “he didn’t tell us” is not really mature.
On “he is not trustworthy; he lied that SADC and few countries back him?” Think again; there were promisses made; maybe not in 2014 but before then, certainly.
And on “destabilizing declarations”, he really said: “I’m not going to wait for 2018”. Most interpreted it as: “not wait for 2018 to seize power”. Guys: you’re losing your cool. The man is closer to an admirable genius than a stupid man. Work with him! Make it “I’m not going to wait for 2018 …before I start contributing to the reconstruction of the country”! He is fully capable of doing that, more than anyone. Very few believed he could fly back on his own. Just believe; he is more than capable of mobilizing many Malagasy to reconstruct what has been destroyed. Let him work, he will let you harvest the honor of his work. All will be happy! Or rather, there are going to be many more happy people than unhappy people; after all, that is democracy.

Andry Ralijaona

Publié le 20 octobre 2014, dans Actualités des Légalistes, AFRIQUE, Françafrique, Madagasikara - Crise, et tagué , , , . Bookmarquez ce permalien. Poster un commentaire.

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :