MADAGASIKARA – Tsy azo ekena ny fifidianana fransafrika

TRACT_FIFIDIANANA_FRANSAFR

 

A M P A R I T A H O    A R A K A   I Z A Y   A Z O   A T A O

 

TSY AZONTSIKA EKENA NY SARITSARIM-PIFIDIANANA !!

Nangalarina an-keriny tamintsika vahoaka ny safidintsika sy ny démokrasia tamin’ny 17 marsa 2009. Izao indray dia terena isika hiditra sy hanaiky izay fifidianana kononkonon’ny mpanongam-panjakana sy ny mpiray tsikomba aminy. Tsy azontsika ekena velively izany satria tena fanaovana tsinontsinona antsika vahoaka. Adidintsika no mandà izany ary tsy mbola tratra aoriana akory.

Maro ny antony tsy hanekena izao fifidianana izao:

  1. Ny CENIT, izay nametrahana ny andraikitra hikarakara sy hanatontosa ny fifidianana dia tsy azo hatokisana noho ireo mambra ao aminy izay mitanila any amin’ny mpanongana ny ankamaroany. Ny filohany, Rtoa Béatrice Attalah, dia fantatra ny fifandraisany akaiky amin’i TGV. Efa mpanolo-tsainan’ny ministra mpanongana Hery Rajanarimampianina izy, mambra mpitantana koa ao amin’i Madarail izay fananan’i Mamy Ravatomanga, namana akaikin’i TGV. Dia azo inoana ve fa tsy hitanila Ramatoa io?
  2. Ny CNOE no miandraikitra ny fanaraha-maso ny fizotran’ny fifidianana. Iza no filohany ? Rtoa Ramaholimihaso izay tsy zoviana intsony ny fiandaniany sy ny fiarahany làlana amin’ny mpanongam-panjakana,
  3. Ny CES, izay noforonina manokana hanamarina ny maha-ara-dalàna ny fifidianana. Izy ihany koa no mamoaka ofisialy ny valim-pifidianana. Ny filohan’ny HCC ihany no filohan’ny CES dia tsy iza fa Jean-Michel Rajaonarivony izay anisan’ireo nikononkonona ny fanonganam-panjakana teny an-tranon’i TGV teny Ambatobe. Tsy nihambahamba ny lehilahy namadika ny Tanindrazana mba hitazonany ny toerany.
  4. Ny FFM (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy) dia nofenoina fikambanana vaovao akaikin’ny fitondrana. Inona no fampihavanana ho tanterahiny raha ireo lazaina ho “mpampihavana” ao anatiny aza tsy azo inoan-teny sy mitanila? Kanefa ny tsy fombàna ny atsy na ny aroa no ilaina indrindra amin’ny asa ataony.

Fehiny, tsy misy amin’ireo voatanisa  eo ambony ireo no tena mahaleo tena ka afaka manao ny asany an-kahalalahana. Ny fanapahan-kevitra ho raisiny dia tsy maintsy hirona any amin’ny fitondrana: “Tsy hitsipa-doha ny laka-nitany ireo”.

Fifidianana entina hametrahana amin’ny fomba ofisialy ireo mpandroba fahefana sy mpivarotra Tanindrazana izao fifidianana izao.

Zava-dehibe fototry ny DEMOKARASIA ny FIFIDIANANA, koa :

TSY EKENTSIKA RAHA IZAO SARINTSARIM-PIFIDIANANA IZAO,

TAKIANTSIKA NY FIFIDIANANA MANGARAHARA SY EKEN’NY REHETRA,

TSY MISY FIFIDIANANA AZO EKENA RAHA TSY MODY NY FILOHA VOAFIDIM-BAHOAKA RAVALOMANANA

Ny Fomba fanaon’i FRANSAFRIKA

Ao anatin’ny fransafrika tanteraka isika Malagasy amin’izao fotoana izao ary manomboka ny dingana farany ny fahavalo amin’ny alalan’ity fifidianana sarintsariny ity.

Fomba fanaon’i fransafrika na ny mpanjanaka aty Afrika (Côte d’Ivoire, Mauritanie, Mali,…) izao miseho eto amintsika izao:

  • Homanina tsara aloha ireo kely saina mpamadika tanindrazana sy tia vola: ampihaonina imbetsaka any Frantsa (Marcoussis ohatra) hanaovana maty paika ny tetika rehetra. Ao anatin’izany fanomanana izany ny tambin’ny famadihana (vatsim-pianarana ho an’ny zanaka, zom-pirenena frantsay, vola be, toerana ambony ao amin’ny fitondrana…),
  • Korontaniny amin’izay ny firenena (tsy fandriampahalemana),
  • haratsiana (diabolisation) ny Filoha izay tsy manaiky vidiana,
  • ny fampahalalam-baovao tsy mitsahatra ny manely tsaho eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena (RFI, AFP, France 24,…), toa ny nataon’i Al Jazeera tany amin’ny tany arabo nandalovan’ny mpanjanaka (Libye, Syrie),
  • Tohizana sy ampiakarina hatrany ny fanakorotanam-pirenena hiantsina  ny fitondrana (26 janvier 2009),
  • Fanafihana ny lapam-panjakana miaraka amin’ny andian’olona voakarama izay lazaina hoe vahoaka (7 février 2009 – « mpikomy mitady fahafahana » no filazany azy raha tohanan’i fransafrika, fa «mpampihorohoro » kosa raha vahoaka tena tia Tanindrazana),
  • Hatsangana amin’izay ny tetezamita,
  • Dradraina amin’izay ny hoe «fampihavanam-pirenena» (marihana fa aty Afrika ihany no ampiasain’ny mpanjanaka io teny io – rehefa avy nampiadiany dia asainy mihavana indray !!),
  • Terena koa hoe: « tsy maintsy manao fifidianana vaovao »,
  • Homanina sy apetraka ny fomba rehetra hitondrana ny fifidianana halatra hametrahana ny olon’i fransafrika,
  • Ny mpanara-maso iraisam-pirenena koa dia an’i Frantsa no betsaka (OIF,COI) na dia mody eo aza ny ONU sy UE,
  • Andron’ny fifidianana: Iza no lany??? Ny olona efa nomanin’i fransafrika ho amin’izany,
  • Tonga dia mitatatata alohan’ny rehetra i AFP sy RFI mamoaka ny valim-pifidianana tiany havoaka,
  • Fotoana vitsy aoriana dia manao fanambarana ny fitondrana frntsay fa miarahaba ilay « voafidy »,
  • Manaraka koa ato aoriana ny fankatoavan’ny Iraisam-pirenena.

Mbola hanaiky izany fanjanahana amin’ny endriny vaovao izany ihany ve isika ? Iza no tokony ho tompon’ny haren’i Madagasikara, ny Malagasy ve sa ny vahiny

Tsy mahantra velively isika Malagasy fa NAMPAHANTRAINA. Manana ny harena ampy ho an’ny Malagasy 22 tapitrisa ny tanintsika.

AMPY IZAY FANJANAHANA IZAY. RAISO AN-TANANA NY HO AVIN’NY TANINDRAZANTSIKA.

 

Publié le 13 avril 2013, dans Uncategorized, et tagué , . Bookmarquez ce permalien. Poster un commentaire.

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :