MADAGASIKARA: Mainty ny masoandron’i Gasikara

Henjika , fandrahoanana, famonoana no mitranga any Atsimo any.
Tsy tahotra tsy henatra fa olon-dratsy isakarazany miseho ho mahery
satria mitam-basy . Ny mponina toy ny biby lava « tsy manana
tanana handrangotra na tongotra hanipaka » ka tsy afa-miaro-
tena. Ny mpamono toa jenitra sy mirehareha fa mahavita ny asa
nampanaoviana azy. Ho aiza moa ireo te-hiaro ny tanindrazany sy ny
fanany kely. Toa ripaka tsikelikely ny any Atsimo.
 
Mainty  ny  masoandro  any  Atsimo.  Miha  mainty  ny  masoandron’i 
Gasikara
 
Iza no maty ? Iza no tsy hita faty ? Iza no maratra ? Firy ? Misy
soram-piankohoanana ve hahafantarana mazava tsara ny anaran’izy
ireny ? Na ny fotoana handevenana aza toa sarotra. Inona moa izany
malagasy tsy tsara levenana. Ny tanjon’ny mpamono dia tsy hiantra
fa izay maty dia maty na dia zaza amam-behivavy aza. Ripaka daholo.
Fa inona no fahadisoan’ny mponina any Atsimo. Mitoetra eo amin’ny
tanindrazany izy ireo. Toerana feno harena. An-drizareo izany. Maro
ny niandry efa ela izao zava-mitranga izao mba hangalarana ny
taniny. Miantso vonjy amiko sy aminao ny mponina any. Havantsika
ireny. Aza hadino. Kila, may ny tanana sasany. Mangirifiry ny fanahy.
Simba ny fo sy ny saina.
 
  Mainty  ny  masoandro  any  Atsimo.  Mihamainty  ny  masoandron’i 
Gasikara.
 
Mbola hisy ve hazavana ? Sa hifanilika ka hilaza ny
tompon’andraikiktr’izao fahafatesana atsy sy aroa izao fa tsy
tompon’antoka izy. Samy miala bala ho madio tanana. Fa saingy ny
 
rà latsaka tsy hangina. Ny mpiray tanindrazana ao amin’ny firenena
kepoka fa ny havany any Atsimo ao anatin’ny ngidy lalina.
 
Mainty ny masoandro any Atsimo ! Mihamay ny masoandron’i
Gasikara.
 
Vonjeo ! Vonjeo hoy ny havantsila any Atsimo. Vonjeo izahay
rizareo !
 
Aoka tsy hisy hanao hoe : tsy renay izany. Tandremo sao kakerin’ny
nenina rahampitso . Ny taranaka , ny tantara no hitsara.
 
Ny erikerika mahatodradrano. Samia manao izay ho vita fa
mafy ny manjo ny any Atsimo. Mifohaza ary mitsangana. Aza
mangatak’andro.
 
Aza avela ho mainty ny masoandro any Atsimo. Miandry antsika ny
havatiana any Atsimo mba hiverenan’ny masoandro hibalika ary
hitondra fahazavana sy fifaliana .
 
Aoka tsy hisy ho kivy fa raha mahery isika dia ho fongotra ny
faharatsiana. Fa raha matory isika dia hiara-maty ao amin’ny
haratsiana .
 
Aza avela ho mainty ny masoandro any Atsimo
 
Aza avela ho mainty ny masoandron’i Gasikara
 
Aza havela ho mainty ny lanitra mangan’i Gasikara izay
notsiriritin’izao tontolo izao. Mitovy hevitra isika sa ahoana ?
 
Steir YOR

Publié le 11 novembre 2012, dans Actualités des Légalistes, Madagasikara - Crise, et tagué . Bookmarquez ce permalien. Poster un commentaire.

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :